Angano ! Angano ! (Boky voalohany)
Frais de port en sus
Angano ! Angano ! (Boky voalohany)
Hivoaka manomboka aminy
alarobia 17 desambra 2003.

Angano an-tsary
aminy teny Malagasy
sy teny Frantsay

Angano ! Angano !
(Boky voalohany)

Misy angano anakiroa :
- Ny Masoandro sy ny Volana ary ny Rahona.
(Angano Betsimisaraka)
ary
- Ny Lambo sy ny Sahona
(Angano Sakalava).

Teny Frantsay Teny Frantsay ...

Maro dia maro tokoa ireo ANGANO navelan'ny Razantsika.

Lalina dia lalina ny hevitra fonosin'izy ireny fa sady nataony hampihomehy sy hahavariana no hananarana koa.

Koa ireo ANGANO tsotsotra antonona ny ankizy no nofidina ka natao anatin'ity boky ity izay misy Laharana sivy.

Angano iray na roa no ao anatin'ny laharana anankiray ary nangonina avy amin'ny lafivalon'ny Nosy.

Manan-toerana lehibe ao amin'izany ANGANO izany  :
- Ny Olombelona ;
- Ny Masoandro sy ny Volana ary ny Kintana sy ny Rahona ... ;
- Ny Biby toy ny Lambo, ny Omby, ny Mamba sy ny Voay, ny Sahona, ny Voalavo sy ny totozy, sns  ... ;
- Ny Vorona toy ny Voromahery, ny Railovy, ny Vorondolo, ny Papango, sns  ...


Ho finaritra tokoa ny Ankizy (na ny Olondehibe koa aza) hamaky ireo ANGANO ireo - ANGANO izay mirakitra sy mitahiry ny Tantara sy ny Finoana ary ny Fomba amam-panaon'ireo Razantsika teo aloha.

Enga anie ka hahita soa sy fahafinaretana izay rehetra mamaky ity "ANGANO ! ANGANO !" ity.

Lucie Razafintsalama Rabenjamina (*).

Toeram-pivarotana :
Tranokala : madanight.com
Hafa : Silver Conseil - 20, rue des Baconnets (RER Fontaine Michalon) 92160 Antony.

Fanontaniana :
Antsoy    Martin Rabenjamina
01 46 66 00 91

infos@silver-conseil.com

(*) Rtoa Lucie Razafintsalama Rabenjamina dia nodimandry taminy 23 jolay 2003.
     "Handry ampiadanana anie ny fanahany."